par Pamella | 10 12 2019 | Ekipa mpilatsaka an- dalambe amin’ny alina
Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.
par Pamella | 1 08 2019 | Hetsika sy fanentanana, Non classifié(e)
SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !
par Pamella | 12 07 2019 | Hetsika sy fanentanana, Mpiara-miasa
Maro ny fifanakalozan-kevitra nandritry ny fanentanana natao tamin’ireo mpanabe. Afaka nilaza hevitra sy nandrava finoanoam-poana samihafa toy ny hoe ny fampiasana kapaoty miteraka fahalemena eo amin’ny lehilahy. Sahy nametraka fanontaniana samihafa ny mpiofana: tsy nisy ny fadifady, tena nahafinaritra!
par Pamella | 23 05 2019 | Activités jour
Fifampizarana nataon’i Marion momba ny biblioPousse natrehany, izy no mitantara eto.
Alakamisy maraina, somary nanjombona ny andro, fa tsy maninona io : tsy mahasakana ny bibliopousse izany. Sady ny toetr’andro eto Antsirabe ange, tsy hitahita toy ny nahatongavan’ireo rahona ireo teo koa no mampiala azy teo e ! (tsy mena-mivadika toa andro ririnina).
par Pamella | 22 05 2019 | Fanaraha-maso ara-tsosialy, FIAROVANA IREO ANKIZY MIAINA ENY AN-DALAMBE
Ankoatry ny misakafo, mitafy, matory am-pilaminana, milalao dia manan-jo hiaina anatina fianakaviana ny ankizy, ny zaza. Araka ny voalaza ao amin’ny « Convention Internationale des droits de l’enfant » (CIDE) dia zo fototra ho an’ny ankizy ny miaina anaty fianakaviana.
par Pamella | 1 03 2019 | FIHETSIKETSEHANA, Hetsika sy fanentanana
Nanokatra ny varavarany tamin’ireo manam-pahefana miasa ho an’ny fiarovana ny ankizy, réseaux sahaza ny Grandir à Antsirabe ny zoma 15 febroary lasa teo.