par Pamella | 18 10 2019 | Equipe
Izy ilay tovavy, lava tongotra, mitety sekoly sy fikambanana maro eto Antsirabe (na tsy eto koa). Ny anton-dia ? Manao fanentanana sy mizara traikefa (any amin’ny fikambanana) mahakasika ny fiainan’ireo ankizy miaina eny an-dalana.
par Pamella | 9 08 2019 | Equipe
Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.
par Pamella | 24 06 2019 | Equipe
Antsoina amin’ilay anaran’angoty hoe « la petite fée des soins », i Ursula, tonga tao amin’ny Grandir à Antsirabe izy ny volana janoary teo. Izy no ilay mpitsabo sy mpanara-maso ny fahasalam’ny ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy mandritra ny maraude. Sady mpanasitrana ny ferin’ny ankizy : ara-batana aloha,fa koa(ary indrindra)ny fanahy (saina).
par Pamella | 6 05 2019 | Equipe
Tojononiaina, na « Tojo » no anarany. Tanora noraisina tao amin’ny kilasimandry (internat) Grandir à Antsirabe taloha izy. Eto dia mifampizara amintsika ny tantarany izy amin’ity resadresaka ity.
par Pamella | 30 04 2019 | Equipe
Nanomboka tamin’ny taona 2013 no tonga tato amin’ny Grandir à Antsirabe i Toky. Misy an’i Toky avokoa ny toerana rehetra.
Hatrany any birao amin’ny maha mpanampy amin’ny fitantanan-draharaha sy ara-bola azy. Hita miaraka lalandava amin’ny ankizy ihany ko amin’ny maha ekipa mpilatsa an-dalambe amin’ny alina azy (EMA) amin’ny « maraude » sy ny maha tompon’andraikitra ny CinéRue azy. Fiantsoantso sy fiangaviana amin’ireo asa madinidinika hafa ihany koa.
par Pamella | 17 04 2019 | Equipe, FIHETSIKETSEHANA
Nivoaka kely ny renivohitra Antsirabe indray ny ekipa Grandir à Antsirabe sy ireo ankizy miantrano ao amin’ny Trano Fandraisana Vonjimaika ny zoma 12 aprily lasa teo. Nifampitaona maraina ny rehetra io andro io handeha hitodi-doha ho any Betafo hilona rano mafana sy hiala voly.