Tatitra traik’efa : Margot, efa-bolana niofanana manokana ho mpanabe teto Madagasikara

Tatitra traik’efa : Margot, efa-bolana niofanana manokana ho mpanabe teto Madagasikara

“Tsy kisendrasendra ny fihaonana amin’ny olona. Misy antony matoa izy ireny voalahatra hifanena eo amin’ny lalam-piainana .”

21 taona i Margot, mpianatra avy amin’ny ambaratonga fahatelo amin’ny fampiofanana manokana ho mpanabe ary avy any Clermont Ferrand any Frantsa. « Ireo asa efa nataoko dia asa miompana foana amin’ny fifandraisana amin’ny hafa, izay no nahatonga ahy nisafidy ity asa ity »

Tamin’ny taona 2016 i Margot no tapa-kevitre hiaraka amin’ny Grandir à Antsirabe

Inona no antony nisafidiananao ity fiofanana ity ?

Tao anatina fampahafantarana ireo fiofanana afaka atao any ielany,tamin’ny fianarana izay nataony, no nahafantaran’i Margot an’i Madagasikara. « (ilay mpampiofana) no nampiseho anay an’izany fiofanana izany ho toy ny fahafantarana ny hafa, ny tena manokana ihany koa ary ny asa sosialy. Nifanakalo hevitra taminy aho, ary ny fisafidianana an’i Madagasikara dia efa nazava tamiko. Te hiaina kolon-tsaina hafa aho, fiteny hafa, finoana hafa. » io mpampiofana io, izay mahafantatra tsara ity nosy ity, no nahatonga an’i Margot te hamantatra ihany koa avy eo.

Avec les enfants du CHTTeto Madagasikara, fandraisana andraikitra isan’andro ho an’ireoankizy

«  Ny asa nampiandraiketana ahy dia ny mba hahafantatra ny asan’ireo mpanabe manokana miasa ao amin’ny fikambanana »

Niezaka ny namantatra hatrany ireo olona hiasana i Margot ary nampivelatra ny fahalalany manoloana ny ankizin’ny lalana. « Ahoana no hiasana miaraka amin’izy ireo ? inona no fitaovana tsara apetraka hanampiana azy ireo ? »

Tamin’izany no nandraisan’i margot anjara tamin’ny tetik’asa fiarovana ireo ankizy miaina eny an-dalam-be eto amin’ny fikambanana : « Namorona dihy mirindra sy kilalao fanabeazana aho nandritran’ireo hetsika atao an-davan’andro, nanampy tamin’ny fametrahana ireo fitaovana ampiasaina amin’ny CinéRue ary koa nandray anjara tamin’ny filatsahana an-dalam-be amin’ny alina miaraka amin’ireo ekipa amin’ny fametrahana fifampiresahana ary kilalao

« afaka nandray anjara betsaka aho tao amin’ny trano fampiantranoana vonjimaika, tonga matetika aho miaraka amin’ireo ankizy. Namorona rafitra hifampiresahana amin’ny alalan’ny fifanakalozana sary aho miaraka amin’ireo mpanabe, ny tanjona dia ny hamerenana indray ireo tondro lalana very teo amin’ireo ankizy »

→ Ny herin’andro sy ny ora ao amin’ny Trano fampiantranoana an-tsary hanampiana ireo ankizy amin’ny mari-toerana

« nandray anjara ihany koa aho tamin’ny fampahafantarana ary koa ny horonan-tsary SLAM an’ny ankizin’ny lalana »

Tamin’ny fiaraha-miasa niaraka tamin’i Kleo (mpiofana malagasy) sy ireo akipa mpanabe, no nametrahan’i Margot fitaovana ampiasaina hanatsarana ny fanraha-maso ara-tsosialy

Fiofanana, soatoavina

Tafiditra tao anatin’ny soatoavina firaisan-kina, fahamendrehana, ary fifanajana izay tohanan’ny fikambanana i Margot : « Mino aho fa mifmpiankina ireo »

Ireo asa teo anivon’ny fiaraha-monina dia tena nahazoana fahalana be dia be : « Tsapako ny maha zava-dehibe ny fahafantarana ireo olona raisina an-tanana mba ahafahana manampy tsara azy ireo. Tsapako ihany koa ny lanjan’ny kolon-tsaiana sy ny finoana. Fantatro ihany koa izao fa tsy mora ny miasa miaraka amin’olona kanefa tena ahazoana traik’efa ihany koa »

« Ny tanjona dia ahafahan’ireo ankizy mahazo fiarovana, filaminana, fahatokisana sy fahatokisan-tena ahafahany manangana ny maha izy azy »

Mitantara i Margot…

Ny fihaonana tsara nanamarika anao ?

Ay… fanontaniana tena sarotra… Mino aho fa tsy iray ihany. Izay olona nifanerasera tamiko dia olona tena manana fo lehibe, na teo anivon’ny fikambanana izany, ny ekipa, ny mpiray trano (tranon’ny Grandira handraisana ireo mpilatsaka an-tsitra-po an’ny fikambanana), na malagasy, na frantsay, na belza na soisy. Ny tena nahakasika ny foko voalohany dia ireo ankizy sy fianakaviana izay nihaona tamiko.

photo de groupe de rando

Ny fahatsiarovana tsara indrindra tao amin’ny fikambanana ?

Tena sarotra, ataoko hoe ny andron’ny noely. Nanaingo ny trano fampiantranoana niaraka tamin’ireo ankizy izahay sady nihira hira malagasy ; nanao fety ihany koa niaraka tamin’ny ekipa sy ireo ankizy. Fotoam-pifaliana, fihomehezana, fihirana sy fandihizana, tena nahafinaritra ahy.

enfants du CHT avec le père noel

Ny fahatsiarovana tsara indrindra teto Madagasikara (fitsangatsanganana, fivoahana ny tanàna..) ?

Tsy moramora ny mamaly izany satria nandritry ny efa-bolana dia marobe ireo zava-nitranga

Tiako daholo ireo fivoahana manodidina ny faritra Antsirabe, na dia kizitina aza aho (nahazo mihitsy i Aina sy Dimby (mpitari-dalana an’ny mpandraharaha ara-pizahan-tany eto an-toerana)…, ary na tsy tena zatra amin’ny fandehanana an-tongotra dia tena nakafiziko ny tontolo manodidina, ny mamantatra ireo finoana sy tantaran’ireo vohitra.

Ny fitsangatsanganana izay tena tiako dia tany Morondava ! niaraka tamin’ireo mpiara-mipetraka izahay ho an’ny taom-baovao. Tena tsy nampino fa tena nahafinaritra ny fivahinianana ! Sady nahita ny allée des baobas aho !!!

Baobab couché du soleil

 Raha fintinina amin’ny teny telo ny niainanao ?

Zava-baovao, fihaonana, fihetseham-po

Ary amin’izao ?

Nanano sarotra ny fiverenan’i Margot tany frantsa : « Amam-bolana aho vao tena tafatombin-tsaina hoe niverina. Ary ny mahamaika ahy dia ny hiverina indray ! ». Ary rehefa nandinika izy dia nahatsapa fa niha-matotra « Ohatry ny mampiomehy ihany ny miteny an’izany afaka volana vitsy… tsy noeritreretiko hoe ho vitako ny handeha any amin’ny firenena lavitra ny fonenako nefa vitako ihany, ary izany dia noho ireo olona manodidina ahy tamin’ny andavan’andro »

Mahatsiaro tena ho mahaleotena izy amin’izao, ary afaka mandray fanapaha-kevitra tsara. Rehefa nanontany azy izahay hoe inona no torohevitra omenao ireo mpilatsaka an-tsitra-po na mpiofana amin’ny manaraka dia namaly tsy an-kiambahamba izy hoe : « Aza mametra-panontaniana fa mandehana, mety mampatahotra fa tsy misy afa-tsy fahasambarana no ho azo »

Sur la plage à Madagascar

« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

lire plus
Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

lire plus
Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

lire plus
Lire aussi :   Tatitra ny andiany faharoa amin’ny hetsika « sport pour tous » izay karakarain’ny tambazotra OSCAPE !
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

MG

Tatitra traik’efa : Margot, efa-bolana niofanana manokana ho mpanabe teto Madagasikara