LAURA, MPILATSAKA ANTSITRA-PO 2.0

Tonga teto ny volana febroary 2018 i Laura, nanapa-kevitra ny hampiasa ny traikefa azony momba ny serasera  izy mba entiny hanampiany ny fikambanana Grandir à Antsirabe mandritra ny taona iray.

Favicon Grandir Ailleurs I Laura dia anisan’ny mpanoratra ireo lahatsoratra izay ankafizintsika ao amin’ny tranonkalan’ny Grandir à Ailleurs…

ie, izaho no mpiandraikitra ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny mpanao gazety. Miasa miaraka amin’i Franco aho, izay mitovy amiko ny anjara asany ho an’ny tranonkalan’ny Grandir à Antsirabe izay mpiandraikitra ny serasera sy ny fiaraha-miasa.

Favicon Grandir Ailleurs  Tsy manoratra lahatsoratra ihany no ataonao fa misy tadin-dokanga hafa amin’ny traikefanao ihany koa.

Ny andraikitro voalohany dia mametraka hetsika mikasika ny serasera mandritry ny taona. Raha halalinina kokoa dia miandraikitra ny fampiroboroboana sy ny fanentanana ireo tambazotran-tserasera aho toy ny facebook sy instagram, ny fanentanana ny tranon-kala amin’ny alalan’ny fanoratana sy fanaparitahana ireo lahatsoratra sy ireo vaovao. Ankilan’izay ihany koa dia mandrindra ny fitaovana aho rehefa misy hetsika karakarain’ny fikambanana toy ny fivoriana sy famelabelarana, ny lanonam-panokafana ho an’ny trano fandraisana vonjimaika sy ireo hetsika eo anivon’ny tambazotra OSCAPE. Miara-miasa amin’I Faranah ihany koa aho izay mpiandraikitra ny serasera an-tsary sy feo.

Favicon Grandir Ailleurs Inona no nahatonga anao hilatsaka an-tsitra-po ho an’ny fikambanana?

Nitady traik’efa arak’asa atao any ivelan’ny fireneko aho, eo amin’ny sehatry ny fikambanana. Nisafidy ny “service civique”  aho satria io fifanarahana io dia mifameno tanteraka amin’ny zavatra efa nataoko sy ny asa tiako hatao ao aoriana. Nandritry ny fikarohana nataoko dia babon’ny bika aman’endriky ny tranon-kalan’ny Grandir Ailleurs aho. Ny pejy voalohany no nanosika ahy ho liana te hamantatra ity vondrona ity, ny mombamomba ny atrik’asany sy ny fototra hijoroany.

Laura à l'entrée de la salle de spectacle

Favicon Grandir Ailleurs  Ary ny amin’ny tohiny?

Angamba mpiandraikitra momban’ny atrik’asa koltoraly any Italia na Gresy ao anatina fikambanana mamonjy ireo mpitsoa-ponenana, antony iray mahakasika ahy manokana.

Favicon Grandir Ailleurs  Ahoana no haminavinanao ny ho avin’ny fikambanana?

Manantena zavatra maro aho. Voalohany indrindra dia ny hitohizan’ny atrik’asa arakaraky ny filàna sy ny zavatra andrasana. Faharoa dia ny hanohizan’ireo mpisehatra eto an-toerana ny hetsika ohatra hoe ny firaisana. Ary farany dia ny hivelaran’ny fiaraha-miasa mankany amin’ireo fikambanana any amin’ny firenena hafa izay mitovy sehatra.

Ampahafantaro anay hoe iza ianao amin’ny alalan’ireto fanontaniana ireto.

Raha sakafo ianao?

Tsy ampihambahambana, ravitoto sy tsaramaso. Sakafo tena Malagasy izay tena ankafiziko tokoa, izay mampitony ahy ary mora hita any amin’ireo mpivarotra hani-masaka.

Raha toetra tsara na ratsy?

Manapa-kevitra amin’izay ataoko aho, fa indraindray anefa raha tafahoatra loatra izany dia lasa tsy miheno ny hafa.

Ary raha biby ianao?

Ny havaliko azy  dia hoe : “écureuil” satria izy tsy tia sehoseho sady mavitrika. Haingam-pandeha!

Teny farany ho an’ny mpamaky?

Tena voninahitra ho ahy ny mandray anjara amin’ity traik’efa mahafinaritra ity mandritra ny iray taona. Nanaitra ahy manokana ny fandraisana, ny tsikitsiky sy ny hafanana zarain’ireo mponina. Mety ho sarotra ny fiverenana fa na izany aza aloha tsy eritreretina izany.

Quatre employé de Grandir à Antsirabe    Plusieurs personnes sur la terrasse

« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

lire plus
Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

lire plus
Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

lire plus
Lire aussi :   Sary : Ny sekoly EPP Ivory talohan’ny fanamboarana sy rehefa vita

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

MG

LAURA, MPILATSAKA ANTSITRA-PO 2.0