Portrait Arsène

PORTRAIT : Ra tsikiky lava no ahafantarana an’i Arsène. Iray amin’ireo mpanabe ao amin’ny Fandaharanasa momba ny Fiarovana ny Ankizy Miaina eny amin’ny Lalana (PPER) izy hatramin’ny taona 2017. Ankoatra izay dia izy ihany koa no tompon’andraikitra ao amin’ny Trano Fampiatranona Vonjimaika mandray ireo ankizy miaina sy matory eny an-dalambe 8 ka hatramin’ny 16 taona.

Favicon Grandir Ailleurs Tahaka ny ahoana ry Arsène no fahitanao ny asanao ?

Amiko, ny mpanabe dia miasa ho fanampiana ireo mpisitraka ato sy manome azy ireo fanabeazana ahafahany mandroso sy mivelatra ary mitsinjo ny ho aviny. Te hanome tari-dalana ho entiny miatrika ny fiainany aho.

Favicon Grandir Ailleurs Tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Trano Fampiantranona Vonjimaika (CHT) ianao : Izany hoe sady mandrindra ireo ekipa mpanabe no mikarakara ireo atrikasa  ataon’ny ankizy isan’andro no mifandamina amin’ireo mpiara-miasa maro toy ny mpitsabo ny mpampianatra mozika, sns eo ihany koa moa ny fitantanana ny ara-pitaovana. Tsy izay ihany fa mbola miandraikitra ny fanaraha-maso ireo antonta-taratasy mahakasika ny ankizy raisina sy ireo antontan’isa maro isan-karazany ny tenanao… Izay ahafahana mamoaka statistika entina handrefesana ny fandrosoan’ireo tetikisantsika. Ankoatra izay mbola miara-miasa akaiky amin’ny Noro, tompon’andraikitra mandrindra ny PPER ihany koa ianao. Asa re izao e !

Manampy an’ireo rehetra ireo aza dia mbola miaraka amin’ireo Ekipa mpirotsaka mpanampy (EMA) koa ianao amin’ireo « maraudes » in-2 isaky ny erinandro be izao!

Ie, manomana ireo kilalao ahafahana mampita hafatra sy fananarana amin’ireo ankizy aho. Io lalao io koa no ahafantarana azy ireo bebe kokoa sady hanangonana ireo mombamomba azy sy ny fiainana niainany. Hiaino azy ireo sy hanambitamby azy raha ilaina izany no maha eo anay. 

Favicon Grandir Ailleurs Mifandray amin’ny ekipa ao amin’ny « Accompagnement Social » ihany koa ianao e…

Nohon’ny fandraisako anjara amin’ny « maraude » sy amin’ny maha tompon’andraikitra ny Trano Fampiantranona Vonjimaika ny tenako dia anjarako ny manolotra amin’ny AS ireo ankizy efa tokony hiroso amin’ny fameranana azy eny amin’ny fianakaviany. Tsara ho fantatra ihany koa fa ny ekipa AS no miandraikitra ny fifaneraserana amin’ny fianakavian’ny ankizy na koa mitondra azy ireo mitsabo raha marary.

Favicon Grandir Ailleurs Fa inona no nisafidiananao niasa ho an’ny ankizy miaina eny an-dalambe ?

Niofana tao amin-dry Môpera ny Don Bosco Ivato (Centre-Notre-Dame de Clervaux) aho izay nahazoko ny marim-pahaizana maha mpanabe sy mpanentana. Nandray an-tanana zaza lahy maro ny tao an-toerana izay nanaovako fampiharana ny fiofanana narahiko. Nanomboka teo dia nazava ny lalako hoe andeha hiasa ho an’ny madinika sy ny sahirana aho. Ny tena tiako indrindra amin’ny asako dia ny fanomanana ireo hetsika fanentanana hoa n’ny olona rehetra.

Favicon Grandir AilleursAfaka mba mizara fahatsiarovana nanamarika anao tato amin’ny fikambanana ve?

Tamin’ny volana mars tamin’ny eritaona dia niaraka nivoaka tany amin’ny rihin-drano any Isandra ny mpiasa rehetra tato. Tamin’izay aho mantsy vao mba niaraka nivoaka tamin’ny ekipa izany dia somary hafahafa ihany tamin’ny voalohany. Fa taorian’izay dia lasa zatra miaraka amin’ireo mpiara-miasa foana aho na ivelan’ny asa aza. Tamin’io fotoana io no nahafantarako ny maha izy azy ireo mpiara-miasa amiko sy ny toetoetrany avy.

Favicon Grandir Ailleurs Inona no firarintsoa ataonao ho an’ny fikambanana ary e?

Mirary ny ekipa mba havitrika hatrany amin’ny asa ataony. Mba ho modely amin’ireo fikambanana hafa Grandir à Antsirabe no ihany koa hihahitombo hatrany amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo fikambanana hafa.

Portrait chinois…

Favicon Grandir AilleursAndeha aloha hametrahana fanontaniana ihany enao hahafantarana anao bebe kokoa e ! Raha biby dia ?

Raha biby aho dia alika satria mivovoha mitovy amiko be resaka ity izy ireny.

Favicon Grandir Ailleurs Ary raha « héro » na « héroïne » ndray ?

Dia hoy aho tsy ampisalasalana hoe Nelson Mandela. Faka tahaka ho an’ny rehetra izy. Lehilahy nahavita zava-tsoa be tokoa, niady ho an’ny madinika sy nikatsaka ny tsara ho an’ny maro hatrany. Miezaka manohy lalany aho fa amin’ny toerana misy ahy sy ny fahafahako. Raha nahavita izany izy, tokony mba ho vitako koa !

Favicon Grandir Ailleurs Inona indray ary raha hira e ?

(Sady nihira izy) Francis Cabrel : Je t’aimais, je t’aime et je t’aimerai

Favicon Grandir Ailleurs Ary raha film kosa ?

Ilay film « commando » ireny, tsy arakarakin’ny maha be fitiavana ahy ilay izy fa te hiady ho an’ny zavatra tsara aho.

Favicon Grandir Ailleurs Inona indray ary raha zavatra ?

Trano, satria sady fialofana no ahitana hafanana sy filaminana. Ao isika no mivondrona sy mifampizara, maka aina, ary mahita fiadanan-tsaina.

Favicon Grandir Ailleurs Toetra ratsy sy toetra tsara ?

Olona tsotra aho fa mora tezitra raha sendra tsy rariny.

Teny farany ary Arsène a !

Midera ny ekipa aho amin’ireo zava-bita maro niarahana nanatontosa dia mbola an-kafaliana koa no entiko iatrehana ireo zavatra mbola ho avy ho atao. Ny zava-bita anio dia antoky ny famirapiran’ny apitso.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Teboka Famantarana #2 : Fa maninona izy ireo no eny amin'ny lalana ?
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Portrait Arsène