Noelin’ny Ankizin’ny lalana ao amin’ny CHT

Noelin’ny Ankizin’ny lalana ao amin’ny CHT

→ Ny alarobia 20 desambre 2017

Ny fikambanana eto an-toerana dia nankalaza ny fetin’ny noely ny alarobia 20 desambra 2017. Nihazo ny lalana mankany Andraikiba, kilometatra vitsivitsy miala an’Antsirabe ; fotoana nahafahan’ny ankizin’ny trano fiampantranoana vonjimaika sy ny ekipa rehetra eto an-toerana nihaona.

Ny ekipa mpikambana ao amin’ny fikambanana dia samy nanomana lalao ara-pirahalahiana mifototra amin’ny fampivelarana ny firaisan-kina eo amin’ireo ankizy.

Miisa 8 ireo lalao izay notanterahina tamoron’ny reniranon’Antdraikiba, toerana maitso sy didinina ala. Ny tapakandro maraina dia nifaninana tamin’ny lalao ireo ankizy izay nahitana ekipa 4, navitrika tokoa izy ireo ary nafana ny lalao.

Ireo ekipa 2 voalohany nandresy kosa dia nahazo t-shirt sy satroka.

Taorian’iny hetsika nafana sy feno fihetsem-po iny dia niala voly kely ireo ankizy tamin’ny alalan’ny hira sy dihy ary lalao baolina kitra alohan’ny hisakafoanana. Namoaka ny traik’efany tamin’ny fandrahoana ireo mpahandro sakafo : vary miaraka amin’ny laoka hen’omby sy akoho saosy, lasary karoty, kokombra sy voatabia ary akondro sy mofo mamy. Tena natsiro!!

pique nique

Rehefa voky tsara daholo ny rehetra dia indro tonga i Dadabe noely nitondra fanomezana efa nomaniny ho an’ny ankizy tsirairay : kapapneu ! kapa vita amin’ny kodiarana fiarakodia, tsy manimba tontolo iainana ary tena maharitra sy mafy. Samy nahazo kapa avokoa ny ankizy tsirairay, miampy kilalao kely sy vatomamy.

Kapa pneu des enfants

l'apparition du père noël

Ary farany, talohan’ny nanakatonana iny tontolo andro nahafinaritra iny dia niara-nilalao ireo ankizy sy ny ekipa, nentanin’ireo mpanabe.

Tonga ny ora nodiana ! ny hariva, na dia vizaka aza ny rehetra dia hita soritra teny amin’izy ireo ny hafaliana. Rehefa tonga tao amin’ny trano fandraisana vonjimaika izy ireo ny ampitso, dia iny fotoana niaraha-nifaly iny no votoaton-dresaka : lalao sy fotoana mamy niarahana tamin’ny ekipa rehetra

Tsindrin-daona ny rehetra miandry ny fivoahana manaraka !!

Lire aussi :   Portrait/ Faranah, ilay ao ambadikin'ny fakan-tsary
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Noelin’ny Ankizin’ny lalana ao amin’ny CHT