Fandraisan’ny ekipa Grandir à Antsirabe anjara amin’ny hazakazaka arahin-tsakana Mandrevo

Fandraisan’ny ekipa Grandir à Antsirabe anjara amin’ny hazakazaka arahin-tsakana Mandrevo

les deux équipes de Grandir à prêtent pour la cours Ny Zoma 24 jona no notanterahina ny andiany faharoa amin’ny hetsika ara-kolontsaina sy ara-panatanjahan-tena Mandrevo, tao Androvakely. Mandrevo izay hetsika karakarain’ny fikambanana SPV felana ho fampiroboroboana ny faritra, 7 km eo ho eo miala an’Antsirabe no misy azy.

Ny ekipan’ny fikambanana eto antoerana dia nandray anjara mavitrika, nahitana ekipa roa niaraka tamin’ireo ekipa mpanohana tamin’ny lalao nandritry ny fihetsiketsehana. Ny ekipan’ny Grandir à Antsirabe izay nifaninana tamina ekipa 40 hafa izay nahitana fikambanana hafa ary koa ireo mpandray anjara rehetra izay nisoratra anarana.

“La course qui vous fait voir toute les couleurs” na koa adika tsotsotra hoe « Hazakazaka ahitanao ny loko rehetra »

Hazakazaka tsy mitovy amin’ny mahazatra tokoa, satria dia 400m miverina indroa no natao ary ahitana sakantsakana maromaro:

          Fitarihana sarety

          Fitarihana kodiarana amin’ny tady

          Hazakazaka amin’ny gony

          Fandadizana amin’ny tany

          Hazakazaka anaty kodiarana

          Sakana arahin-davaka

Satrinay ny hanome ny vokatry ny lalao amin’ny antsipirihany, fa ny ekipan’ny fikambanana na dia navitrika tokoa aza dia tsy tafiditra tanatin’ny telo voalohany… na ny folo voalohany…

Mankasitraka azy ireo ihany ( na izany aza 🙂)

Tsipy kanety be, sora-drindrina, fampisehoana

 

Nifampotoana ny maraina ireo mpandray anjara ary nisy ny fiara mpitatitra ireo mpandray anjara rehatra. Feno ny fandahara-mpotoana nandritra ny tontolo andro: fifaninanana tsipy kanety be (mampalaza ny eto an-toerana) tsiroaroa, fampisehoana haisary amin’ny rindrina, fampisehoana an-tsehatra niarahana tamin’ireo mpanakanto avy eto an-toerana. Fotoana mamy nifampizarana.

Lire aussi :   Portrait: Ursula "la petite fée des soins" ao amin'ny CHT sy mandritra ny "maraude"
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Fandraisan’ny ekipa Grandir à Antsirabe anjara amin’ny hazakazaka arahin-tsakana Mandrevo