Fivoriam-be voalohan’ny mpikambana ao ami’ny tambazotra OSCAPE

Fivoriam-be voalohan’ny mpikambana ao ami’ny tambazotra OSCAPE

Franco au Forum des associations 1    Zoma 30 jona sy Asabotsy 1 jolay 2017

Ny fikambanana grandir à Antsirabe dia nandray anjara tamin’ny lanonam-panokafana nokarakarain’ny tambazotra OSCAPE ho an’ny andiany voalohany amin’ny fivoriam-be hiraisan’ny fikambanana eto Antsirabe. Ny tambazotra izay nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taona 2011 saingy kosa efa niasa nanomboka tamin’ny taona 2009 izay mampivondrona fikambanana 20 ankehitriny miasa eo amin’ny sehatry ny fiarovana ny zon’ny ankizy. Ny tanjon’ity fivoriam-be ity dia ny mba hanamafisana ny ady atao amin’ny herisetra mianjady amin’ny ankizy ary koa ny fiarovana ny zon’izy ireo. Natao ihany koa io hetsika io ho fanamarihana ny iray volan’ny ankizy.

Trano heva teny amin’ny ivotoeran’ny kolontsaina

Ny fikambanana rehetra izay mivondrona ao anatin’ny tambazotra dia samy nanana ny trano heva mba ho fampahafantarana ny be sy ny maro ireo hatrik’asa misy eo amin’ny fikambanana tsirairay. Anisan’ny fomba iray ihany koa izany ahafahana manentana ny mponin’Antsirabe amin’ny andraikitry ny olom-pirenena. Ny trano hevan’ny Grandir à manokana dia nirona tamin’ny fahampafantarana ireo tetik’asa isan-karazany miaraka amin’ny mpandraharaha ara-pizahan-tany Rencontre avec Dago izay tafiditra ihany koa ao anatin’ny fikambanana. Nahafa-po ny hetsika ho an’ny fikambanana satria dia maherin’ny zato isan’andro ireo mpitsidika tao anatin’ny roa andro. Nisy ihany koa ireompitsidika izay liana amin’ny fanomezan-tanana ho fanampiana ireo ankizy, ka io hetsika io no nahafahan’ny fikambanana nahazo ny mombamomba azy ireo ka ahafahana miantso azy rehefa misy fanampiana ilaina. Fa io fotoana io ihany koa dia fotoana nahazoana nifampiresaka sy nifanakalo tamin’ireo fikambanana ao anatin’ny tambazotra.

Fanentanana an-tsehatra

Stand - forum

Teo amin’ny toeran’ny kolon-tsaina no nandraisana ireo lahateny isan-karazany avy amin’ny solon-tenam-panjakana sy ny filohan’ny tambazotra OSCAPE nandritry ny lanonam-panokafana. Nandritran’ny roa andro no nandravahan’ny fikambanana tsarairay avy ny sehatra, ny fandraisam-pitenenan’ny filohan’ny fikambanana Grandir à Antsirabe ary koa ireo ankizy izay nandray anjara tamin’ny hira sy dihy. Ireo ankizin’ny lalana moa izay eo ambany fiahian’ny fikambanana dia nanao tonokalo mitantantara ny fiainan’izy ireo sy ireo herisetra tsy ara-drariny mianjady aminy.

Latabatra boribory sy famelabelaberana tao amin’ny lapan’ny kolon-tsaina

Tao amin’ny lapan’ny kolon-tsaina no nanatanterahana ny latabatra boribory ny zoma tolak’andro niarahana tamin’ireo solotenam-panjakana, ireo solotenan’ny fikambanana tsirairay, ireo mana-traik’efa manokana amin’ny fiarovana ny ankizy. Famelabelarana manodidina ny lohahevitra hoe ady atao amin’ny herisetra mianjady amin’ny ankizy. Ny Asabotsy kosa no nanaovana ny famelabelarana arahina ady hevitra momban’ny andraikitry ny fiaraha-monina sy ny olom-pirenena tsirairay amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy. Ny ady hevitra dia nasongadina manokana tamin’ny fomba fitaizana ny ankizy, mety ve ny mikapoka zanaka? Izay ady hevitra matetika mitranga eo amn’ny fiaraha-monina aty Afrika, ary ny ankizy eny amin’ny lalana, ahoana no hiarovana azy ireny? Satria ny vaindohan-draharaha dia ny fiarovana ireo ankizy amin’ny loza mety hitranga aminy, ny zaza tsy manana fianankaviana tsy manana mpiaro.

Notsindrin’ireo mpandrindra ny famelabelarana manokana ny tokony hanajan’ny tsirairay ny zon’ny ankizy. Ny solotenan’ny mpitsara misahana ny zon’ny ankizy dai tena hentitra amin’izany fanajana ny zon’izy ireo izany.

« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

lire plus
Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

lire plus
Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

lire plus
Lire aussi :   Portrait/ Felana, vehivavy mahefa

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

MG

Fivoriam-be voalohan’ny mpikambana ao ami’ny tambazotra OSCAPE