Ny fanomanana ny nahandron’ny mpikambana

Isaky ny atoandro dia miara-misakafo eo amin’ny tokontanin’ny fikambanana ireo ekipan’ny Grandir à Antsirabe sy ny Rencontre Avec Dago, miara-mankafy ny sakafo matsiro nokarakarain’i Claudine sy i Josiane tam-pitiavana. Ndao hojerena ny sehatra misy azy ireo ao anatin’ny tapak’andro maraina.


Dingana 1 : Fiantsenana

Amin’ny 8 ora ! fotoanan’ny fiantsenana. I Josiane, arahana harona andeha hiantsena any Tsena sabotsin’Antsirabe, anisan’ny tsena lehibe indrindra eto amin’ny faritry ny ranomasim-be Indiana. Sarotra ihany ny tsy hahavery amin’nireto lalana be dia be. Tsy araka ny nieritreretana azy fa efa voalamina daholo ny rehetra ; samy manana ny toerany. Ny voankazo etsy andaniny, ny legioma etsy an-kilany raha mamakivaky ireo voninkazo, ny akanjo sy kiraro, ny fivarotana maro samy hafa. Ohatran’ireny toeram-pivarotana lehibe ireny fa tafo lanitra sy mientanentana kokoa. Josiane angamba efa mahafantatra tsianjery ny toerana.

Tazana avy ery alavitra ery tazana mitandahatra ireo mananasy, nividy dimy izy. Nifanena tamin’i Fabien izy, ankizy izay raisin’ny trano fampiantranoana vonjimaika tanana, nangtataka izy hitondra ny harona hahazoany vola kely. Mitombo mitombo ihany ireo voan-kazo sy legioma, kokombra, karaoty tetika, toto-kena, haricots verts, persily ary saosety ; ireo no ho karakarain’i Claudine anio

ny saosety

Fa inona no atao hoe Saosety ?

antsoina ihany ko aizy hoe Christophine any amin’ireo nosy frantsay, Chouchou izay raha any La Réunion ary sousou any Maurice, ity legioma ity dia hita manerana ny nosy. Mitovitovy amin’ny poara ngeza hafahafa izay izy, somary diana lavaka maromaro sy misy tsilotsilo kely. Mitovy amin’ny mahandro courgette ny mahandro azy, atao laoka na koa atao lasary.

 

 

épices

mividy legioma

mividy henaMividy tsindrin-tsakafo

 

 

 

 

 

 

Dingana 2 : ao an-dakozia   

Rehefa tafaverina avy any an-tsena i Josiane dia anjaran’i Claudine indray izao. Mandrehatra afo saribao telo izy.

Claudine mikarakara

Riz cantonais miaraka amin’ny lasary no sakafo. Mananasy voatetika mamy tsara no tsindrin-tsakafo.

Arotsak’i Claudine ao anaty vilany ambony fatapera ny totokena, miampy voatabia sy sira. Ao anaty vilany hafa, mitsetsatsetsa ny tongolo, arotsaka ny haricot vert sy ny karaoty ary saosety. Manitra tokoa ny sakafo, maha-te hihinana sahdy.

fatapera sy vilanyNy fatapera ? fandrahoana nenti-paharazana, afaka entina mifindrafindra, vita amin’ny vy ary ampiasaina miaraka amin’ny saribao. Hita any amin’ny tokantrano maro ity fitaovana ity, na any amin’ny mpivarotra hani-masaka na any anaty fiara fitaterana aza rehefa mandeha mitsangatsangana iny. Misy ihany koa ny maendy masikita miaraka aminy, arahina saosy voanjo na voatabia. Ampiasaina ihany koa izy amin’ny fanatonoana vomanga, na mangahazo na manendy mofo gasy, na mahandro vary, na manendy zavatra mamy na masira. Sarotra ny hamehezana ny tenda !

Amin’ny 11 ora sahady ! manomana tsara haingana i Claudie satria tokony vonona ny sakafo amin’ny 12ora30. Mbola mila mahandro vary, manendy atody ho an’ireo tsy mihinan-kena, mamaofy kokombra sy mametraka azy ambony latabatra. Tao anatin’izany rehetra izany no nilazany fa ankafiziny ny mahandro trondro ka matetikatrondro saosy no ataony ary mananasy no tsindrin-tsakafo. Indraindray izy mieritreritra sakafo hanomezana fahafaham-po an’ireo olona misakafo be.

Rehefa tsy ao an-dakozia izy ireo dia manentana mandritry ny hetsika atao an-davanandro na manampy an’i Viviane mikarakara ny tranon’ny Grandira na CHT.

« HISAKAFO ! HISAKAFO ! »

Ny feon’i Claudine no manerana ny birao. Vonona ny sakafo, fotoana fisakafoanana. Tafavory ireo mpiara-miasa rehetra, manararaotra ny fotoanan’ny fifampirazarana arahin’ny lanitra mangan’Antsirabe, ao anatin’ny firavoana sy sariaka.

Fankasitrahana lehibe ho an’ny mpahandronay izay tsy mitsahatra ny mandroso ny tsara kokoa isan’andro amin’ny fanomezana fahafaham-po ny ekipa rehetra.

Ekipa miara-misakafo


 

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

lire plus
Ny fanomanana ny maraude

Ny fanomanana ny maraude

(…)Aminin’ny 5ora ! miala eny am-piasana daholo ireo ekipa maraude mihazo ny lalana makany amin’ny « Maison de Grandira ». Avy hatrany dia any an-dakozia mikarakara ny sakafo ariva sy ny farilac ary dité, ho an’ireo ankizy matory eny amin’ny lalana (…)

lire plus

Fampisehoana nataon’ny ankizin’ny CHT

SHOWCASE : Fampisehoana dihy sy hiran'ny ankizin'ny CHT → Ny sabotsy 29 oktobra 2017 Ny sabotsy 28 oktobra 2017 no notanterahina teto Antsirabe ny hetsika voalohany amin’ny fami ntinana ny fampianarana mozika ho an’ireo ankizin’ny trano fampiantranoana...

lire plus
Lire aussi :   Teboka Famantarana #2 : Fa maninona izy ireo no eny amin'ny lalana ?
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Ny fanomanana ny nahandron’ny mpikambana