Fandaharan’asan’ny Trano fampiantranoana vonjimaika (CHT)

IREO FANDAHARAN’ASAN’NY TRANO FAMPIANTRANOANA VONJIMAIKA (CHT)

Enfant du CHTIsan’andro, ny Alatsinainy ka hatramin’ny Sabotsy, ny trano fampiantranoana vonjimaika na ny CHT dia nametraka fandaharan’asa izay sady fampianarana no fampivoarana ny kolon-tsaina ho an’ny ankizy tonga ao amin’ny trano fampiantranoana. Ireo ankizy izay mandalo dia tsy tonga hisakafo sy hatory fotsiny ihany fa koa tonga mba hianatra ary koa ahafahany miaina ireo filana fototra. Ny hetsika iray dia maharitra eo amin’ny ora iray sy sasany eo ho eo ary manomboka amin’ny 6ora sy sasany hariva rehefa tafahomana ireo ankizy (Mandro, manasa lamba kely, manampy mahandro sakafo). Ity aroso manaraka ity ary ny momban’ny fandaharan’asa :

- Alatsinainy : fanasana faobe, hetsika malalaka

Ireo ankizy dia mandray anjara amin’ny fanasana faobe mba ahafahan’izy ireo mampivoatra ny fandraisany andraikitra. Ny hetsika malalaka dia natao hampivelarana azy ireo amin’ny fanapahan-kevitra.

- Talata : fianarana fototra, famakiam-boky ary angano

Ireo ankizin’ny lalana ireo dia tsy manana fianarana ary tsy mandeha an-tsekoly, izany no nahatonga ny fikambanana nametraka ny asa fampianarana mba ahafahan’izy ireo mahazo ireo fampianarana fototra amin’ny fanoratana, ny famakian-teny ary ny kajy ; ary koa ho fanamifasana ho an’ireo izay efa nadalo sekoly.

- Alarobia : famoronana, asa-tanana, dihy
  • Ny famoronana dia manampy ireo ankizy hampivoatra ny fieritreretany.
  • Ny dihy izay atao isaky ny Alarobia faran’ny volana dia manampy azy ireo amin’ny fanehoana ny fihetseham-po anaty sady koa ho fampiasana vatana.
  • .  Ny asa tanana dia manampy betsaka amin’ny fifantohana, ny faharetana ary ny fahazotoana.
- Alakamisy : sary, fandokoana, lalao isam-bondrona, fifampiresahana

Ireo hetsika ireo dia ahafahana mampivelatra ny sain’ny ankizy, mahatonga azy hahay hiara-hiasa, hahay hifanaja eo amin’ny fifanankalozan-kevitra mba hananan’ny ankizy toetra mendrika. Ny fifampiresahana dia atao isaky ny Alakamisy faran’ny volana.

- Zoma: informatika, fizarana ekipa
  • Tsy maintsy manaraka ny toe-java-misy indrindra eo amin’ny fivoaran’ny solosaina ny tsirairay. Ny fanombohana mianatra ny momban’ny solosaina dia ahafahan’izy ireo mampivaletra ny fahalalany ao aoriana.
  • Ny fizarana ekipa na vondrona no mitaiza azy ami’ny fifanankalozana, ny fihainoana ary koa ny fandraisam-pitenenana.
- Sabotsy : sary miaina, TV, fanatanjahantena
  • Sady fotoam-pialamboly no fampitana hafatra fanabeazana, fotoana ihany koa hianarana ny teny frantsay.
  • Ny fanatanjahantena dia sady natao hataizana vatana no ahafan’ny ankizy ihany koa maneho ny fihetsem-po ao anaty.

Ankoatra ireo dia misy ny hetsika mifameno amin’io fandaharan’asa io, ohatra ny mozika mandritry ny volana Jolay mba hamantarana ny talentan’ireo ankizy , mampivelatra ny lamina sy ny gadona, fa ihany koa mampiala-voly.

Ny fahasalaman’ireo ankizy moa dia voahara-mason’ny mpitsabo avy ao amin’ny fikambanana Aromathérapie Sans Frontières izay mitsidika indroa isan-kerinandro ny trano fampiantranoana vonjimaika.

Lire aussi :   Ireo mpilatsaka antsitra-po mihetsika eto Madagasikara
« Maraude » : andao ho resahantsika !

« Maraude » : andao ho resahantsika !

Isaky ny alatsinainy sy alakamisy alina amin’ny 8 ka hatramin’ny 11 alina, ny Ekipa Mpirotsaka an-dalambe amin’ny Alina (Equipe Mobile d’Aide – EMA) avy ato amin’ny Grandir à Antsirabe dia mirotsaka eny an-dalambe manao « maraude ». Mamantatra sy mihaona amin’ireo ankizy matory eny an-dalana . Ny EMA dia mampisitraka ireo ankizy matory eny an-dalana fitsaboana, fanabeazana sy fanarahana ara-tsosialy eny amin’ny toerana iainan’izy ireo : eny amin’ny lalana.

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Seho Ara-dalana #5: Seho ho an’ny Daholobe!

Nahafantatra ilay seho Ara-dalana #4 tamin’ny volana jolay lasa teo ianao? Ity indray ny andiany faha-5: ny Alarobia 02 oktobra tolak’andro lasa teo tao amin’ny “Salle d’oeuvre Catholique”no nanaovana ny izany, nampitondrana ny anarana hoe: Seho hoa n’ny Rehetra. Nafanan’ireo ankizy miantrano ao amin’ny CHT sy ireo vahiny hafa ny sehatra ka dia tena nahafinaritra tsy nisy toy izany.

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Fialana kely amin’ny MAHAZATRA

Ny zoma 30 Aogositra lasa teo, niaraka nivoka kely indray ny mpiara miasa rehetra sy ireo ankizy ao amin’ny Centre d’Hebergement Temporaire(CHT), niverina tany Betafo indray fa mbola tsy afapo! Hafaliana no nandravaka ny tontolo andro! Manasa anao ary hamaky fa tantarainay aminao ny tontolo andro tany 😊

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Portrait Tsitoha : Talen’ny fikambanana Grandir à Antsirabe

Nanaiky ny hametraka fanamby lehibe I Tsitoha, ny taona 2014, dia ny ho talean’ny Grandir à Antsirabe. Tsy nitsahatra nitady paik’ady mahomby hampandrosoana ny fikambanana izy nanomboka hatreo. Andeha ary hosoritsoritantsika eto izany lalana nodiaviny izany.

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

« Aoka fa tsy tsara ny zava-mahadomelina » : fanentanana tao amin’ny CHT

SOLIMEDA, fikambanana mpianatra ho mpitsabo avy any Amiens France, manao fanofanana sy fanentanana miompana amin’ny fahasalamana sy ny fahadiovana. Tanora folo izy ireo no niorim-ponenana vetivety teto Antsirabe mandritra ny iray volana, nanao izany fizarana traikefa izany tamina fikambanana samihafa eto an-toerana, anisan’izany i Grandir à Antsirabe.
I Marion, mpirotsaka an-tsitrapo avy amin’ny Grandir Ailleurs no mitantara aminao ny zavatra hitany sy natrehany !

MG

Fandaharan’asan’ny Trano fampiantranoana vonjimaika (CHT)