Le Centre d'Hébergement Temporaire

Programme de protection des enfants des rues (PPER)

Eto Antsirabe, isaky ny alina dia mandray ireo Enfant de la rue (miaina sy matory eny an-dalana) 8 ka hatramin’ny 16 taona ny Trano Fandraisana Vonjimaika (CHT).

Isan’andro manomboka amin’ny 5 ora hariva ka hatramin’ny 8 ora maraina, na amin’ny andro tsy fiasana aza, dia misokatra hatrany ny varavaran’ny CHT, mba hiarovana ny ankizy amin’ny loza mety hahazo azy eny amin’ny lalana eny. Toerana ahafahan’izy ireo manovo hery vaovao sy misitraka ireo zo fototra maha-olona azy :misakafo, misasa, henoina, mikarakara ny tenany ary matory am-pilaminana. Ao ihany koa no hianarany indray ireo fomba sy fihetsika ilaina eo amin’ny fiainana andavanandro.

Ireo ankizy raisina an-tanana ireo dia misitraka fandraisana an-tanana maro toy ny fampianarana sy fanabeazana, fanatanjahan-tena; eo koa ny tohana ara-pahasalamana sy ara-psikolojika ; raisana an-tanana ihany koa ny fanarahana ireo ankizy nahiditra an-tsekoly. Mpitsabo mpanampy iray no tonga inefatra isan-kerinandro ao amin’ny CHT manara-maso ny fahasalaman’ny ankizy tsirairay  ary miaraka amin’ny Ekipa mpilatsaka amin’ny alina eny an-dalambe (EMA) ihany koa izy indroa isan-kerinandro.

Farany, ny fifampiresahana matetika dia ahafahan’ny ankizy maneho ny heviny sy hahatsapany fa misy mihaino izy : resadresaka iombonana ( tanjona ara-panabeazana), fanentanana (momba ny fananahana, ny zava-mahadomelina,ny fahadiovana,ohatra) ary koa fifampiresahana manokana amin’ny ankizy tsirairay. Eo no ahafahan’ny mpanabe mamaritra ny lalam-pampianarana ho an’ny ankizy tsirairay.

Efa an-dalana ihany koa ny fametraha fanarahana ara-psikolojika. Amin’izao fotoana izao dia efa miditra an-tsehatra indray isam-bolana ny psychologue miaraka amin’ireo ankizy na miresaka amin’izy ireo tsirairay. Ny tanjona lavitra ezaka dia ny hanomezan-danja ny fifampiresahana manokana amin’ny tsirairay.

À Antsirabe, chaque nuit, le Centre d’Hébergement Temporaire (CHT) accueille les enfants de la rue (qui vivent et dorment dans la rue), âgés entre 8 et 16 ans.

De 17h à 8h le lendemain, tous les jours de la semaine y compris les jours fériés, le CHT est un endroit privilégié où les enfants sont protégés des dangers de la rue, où ils peuvent se ressourcer et répondre à leurs besoins primaires : manger, se laver, être écoutés, se soigner et dormir en sécurité. C’est aussi un lieu où ils réapprennent les gestes de la vie quotidienne.

Les enfants accueillis bénéficient d’activités pédagogiques, éducatives et sportives, ainsi que d’une prise en charge médicale et psychologique ; le suivi des enfants scolarisés est également assuré. Une infirmière est présente quatre fois par semaine au CHT afin d’assurer le suivi médical des bénéficiaires ; elle accompagne également l’Equipe Mobile d’Aide lors de ses deux maraudes hebdomadaires.

Enfin, des espaces de dialogue réguliers permettent aux enfants de s’exprimer et d’être écoutés : des causeries (discussions collectives à but pédagogique), des sensibilisations sur certains sujets à risque (la sexualité, la drogue, l’alcool, le tabac ou l’hygiène, par exemple) et des entretiens individuels avec les enfants. Ces entretiens permettent aux éducateurs de définir un projet éducatif individualisé pour chaque enfant.

Un psychologue intervient une fois par mois auprès du groupe et une fois par mois en entretien individuel avec un enfant.