Les Activités Jour

Programme de protection des enfants des rues (PPER)

Ny hetsika andavanandro dia atao eny amin’ireo fokontany sahirana, eto Antsirabe mba hahafahan’ireo ankizy eny amin’ny lalana (enfants dans la rue) rehetra misitraka, izany dia mifindra toerana isaky ny erinandro. Ankoatry ny fanomezana sehatra ho an’ny kolontsaina sy ny fialalam-boly, ny hetsika andavandandro ihany koa dia manome lanja ny fanabeazana. 

Isaky ny Talata tolakandro, ny hetsika DanselaRue dia manome sehatra an’ireo ankizy ahafahany mivelatra ara-batana : io no fotoana iray ahafahan’izy ireo miala voly sy mandihy!

Isaky ny Alakamisy indray dia manatona ny ankizy ny boky : BiblioPousse, posy namboarina ho toy ny tranom-boky, izay mandeha eny amin’ny toeram-ponenan’izy ireo eny. Ahitan’izy ireo tantara vaovao hatrany sy hahafany mamaky teny. Eto ihany koa no hahafahany mianatra izany  fahaiza-miaina izany (fahaiza-mihaino sy fahalalam-pomba) ao ko ny fahadiovana, satria, tsy maintsy ny fanasana tanana foana no anombohana ny fotoana.

Ho famaranana ny erinandro kosa dia tsara raha asiana fijerevana horonan-tsary kely! Isaky ny Zoma hariva no misy ny CinéRue : fotoana iray ijeren’ny ankizy sary miaina na sary mihetsika Malagasy na koa horonan-tsary fanadihadiana.

Malaza eto Antsirabe ny Hetsika andavanandro ary entina hampahafantarana amin’ny ankizy sy ny vahoaka ny mombamomba ny fikambanana sy ireo asa maro samihafa ataony.

Les Activités Jour ont lieu en journée et chaque semaine dans un quartier différent, afin que tous les enfants dans la rue* d’Antsirabe puissent en bénéficier. En plus d’offrir un accès à la culture et un espace ludique à un public qui en est très souvent privé, nos trois Activités Jour mettent en avant des enseignements variés.

Tous les mardis après-midi, l’activité DanselaRue offre aux enfants des rues un lieu d’expression corporelle : c’est le moment pour eux de se défouler !

Chaque jeudi, les livres viennent à la rencontre des enfants ! Le BiblioPousse, un pousse-pousse aménagé en bibliothèque ambulante, se déplace sur leurs lieux de vie, leur fait découvrir de nouvelles histoires et pratiquer la lecture. Il leur permet également d’acquérir des notions de savoir-vivre (l’écoute, le respect de l’autre) et d’hygiène, puisque toutes les séances de lecture commencent par le lavage des mains.

Pour terminer la semaine, rien ne vaut une petite séance de ciné ! Tous les vendredis soir, c’est CinéRue : les enfants assistent à une séance de projection sur grand écran de dessins animés, films malgaches ou documentaires.

Populaires à Antsirabe, les Activités Jour permettent de sensibiliser les enfants et les habitants de la ville à l’association et ses différentes actions.